ONG CID Buildskills

Fiofanana momba ny fanamarinam-baovao

Sans titre 149_20250617151719
Instructeur
wearecid.mg
0
0 revue
Course details
Conférences : 77
Quizz : 18
Niveau : Avancé
  • Description
  • FAQ
  • Examens
  • Note

Manoloana ny hafainganan’ny fiparitahan’ny vaovao sy ny fivoaran’ny tontolon’ny serasera amin’izao vanim-potoana izao, dia zava-dehibe indrindra ny mampita fitaovana mahomby ho an’ireo olompirenena sy mpanao gazety ary ireo matihanina amin’ny fampitam-baovao, mba hahafahan’izy ireo manamarina ny zava-misy. Ity fiofanana momba ny fanamarinam-baovao ity dia novolavolaina manokana hanampy antsika haharaka izay fivoarana izay ka hanamafy ny fomba fikarohana sy fizaràna vaovao azo antoka. Manolotra fampianarana mivoatra miandalana ity fiofanana ity, hita ao avokoa na fahaiza-mandalina, na fanehoana fomba fiasa matihanina amin’ny asa fanaovan-gazety, na fampiharana. Izany dia natao ho fampitaovana ireo mpiofana mba hahay hitily, handalina, hanamarina ary hikaroka ny toe-javatra niaingan’ireo vaovao mampiahiahy na mamitaka. Miorina amina tranga tena nisy sy fitaovana ankatoavin’ireo manampahaizana ity fiofanana ity ka ahafahana mitrandraka fahaiza-manao azo ampiharina amina toe-javatra samihafa na ho an’ny mpanao gazety izany na ho an’ny andavanandrom-piainan’ny olompirenena.

 

Fahaiza-manao azo tsapain-tanana entina manamarina vaovao

Ireto avy ireo fahaiza-manao ho azon’ireo mpanaraka ity fiofanana feno ity :

✔️ Fahatakarana ny fomba fitrangan’ny vaovao diso, amin’ny alalan’ny fitiliana ny endrika isehoany, ny fomba firafiny, ny tanjona ao ambadika ary ny fiantraikany eo amin’ny fiarahamonina ;

✔️ Fahaiza-mandalina tsara rafitra, ahafahana mitily ireo fitongilanana ara-tsaina (biais cognitifs), manontany ireo loharanom-baovao, ary manamafy ny fahamalinana ao anatin’ny tontolon’ny haino vaky jery izay feno loatra.

✔️ Fahaizana manavaka ny zava-misy sy ny hevitra manokana sy ny vinavina ary ny tantara nahodikodina ahafahana mikendry amin’ny fomba mahomby ireo vaovao azo hamarinina.

✔️ Fahaizana mampihatra ireo teknika hentitra amin’ny fanamarinana, miainga amina fomba fiasa matihanina amin’ny « fact-checking » izay manaraka ny fenitra iraisam-pirenena.

✔️ Fahaizana mitily ireo singa voalohany famantarana ny vaovao diso, miainga amin’ireo mason-tsivana samihafa toy ny loharano, ny votoaty na ny endrika isehoany.   Fahaizana manombana ny fahamarinan’ireo fanehoana an-tsary, izany hoe sary sy horonan-tsary, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana fanaovana « recherche inversée », « géolocalisation » na famantarana ny toerana nangalàna ny sary sy « analyse d’authenticité » na fandalinana ny maha tena izy azy na tsia.

✔️ Fanamafisana ny anjara asany amin’ny maha mpisehatra tomponandraikitra amin’ny fampitam-baovao azy, amin’ny alalan’ny fampidirana ny fahazarana manamarina vaovao ao anatin’ny fampiasany ny nomerika amin’ny andavanandro sy/na amin’ny asany amin’ny maha mpanao gazety azy.

 

Natao ho an’iza ity fiofanana ity ?

Natao ho an’ny olona rehetra miatrika ny fiparitahan’ny vaovao amin’ny sehatra nomerika ity fiofanana ity, izany hoe :

  • Ireo matihanina amin’ny fampitam-baovao : mpanao gazety sy mpanentana,
  • Ireo mpisehatra amin’ny fampiofanana amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny serasera (mpiofana sy mampiofana)
  • Ireo mpisehatra amin’ny fiarahamonim-pirenena na mpitolona mirotsaka amin’ny ady amin’ny vaovao diso.

 

Ahoana no fizotry ny fiofanana ?

Ahitana fizarana 10 mifameno ny fiofanana, izay manambatra ny :

  • Famelabelarana ara-kevitra mazava (théorie) ahafahafana mahatakatra ireo foto-kevitra,
  • Fandalinana tranga manokana teto an-toerana na tany ivelany entina manazava bebe kokoa ireo lokanady (enjeux),
  • Fitaovana azo ampiharina avy hatrany amin’ny fandalinana, fitiliana ary fanamarinana,
  • Fampiharana sy fanazaran-tena entina manome vahana ny fianarana amin’ny alalan’ny fanatanterahana.

 

Manaraka fivoarana ara-pedagojika mirindra ireo fizarana ireo : manomboka amin’ny fahatakarana tsara ny fomba fisehon’ilay tranga, hatramin’ny fahazoana fahazarana azo tsapain-tanana amin’ny fanoherana ny vaovao diso amin’ny endriny rehetra.

Natao ho an’iza ity fiofanana ity?
Ity fiofanana ity dia natao ho an’ny olona rehetra izay maniry hahatakatra ireo lokanady mifandraika amin’ny vaovao diso sy hahazo ireo fahaiza-manao azo tsapain-tanana amin’ny fanamarinana zava-nisy, indrindra :

- ireo matihanina amin’ny fampitam-baovao
•Mpanao gazety
•Mpanentana

- Ireo mpisehatra amin’ny fampiofanana amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny serasera
•Mpianatra
•Mpampiofana

- Ireo mpisehatra amin’ny fiarahamonim-pirenena na ireo mpitolona misehatra amin’ny ady amin’ny vaovao diso
Afaka manaraka ilay fampiofanana ve aho raha toa ka olom-pirenena tsotra na tsy matihanina amin’ny fampitam-baovao?
Ao anatin’ity tetikasa ity, ny fiofanana dia mitodika manokana amin’ireo sokajin’olona voalaza etsy ambony ireo. Manasa anao izahay hanaraka ny pejy Facebook-nay mba haharaka ny vaovao rehefa sokafana ho an’ny daholo be ilay fampiofanana.
Maimaipoana ve ilay fiofanana ?
Eny. Maimaimpoana tanteraka ity fiofanana ity ary tsy andoavana sarany ny fanarahana azy.
Ahoana ny fomba fisoratana anarana ?
Ahitana dingana roa ny fomba fisoratana anarana :

-Dingana 1 : Fisoratana anarana amin’ny maha mpampiasa (utilisateur)
-Dingana 2 : Fanomezana ny mombamomba ny tena manokana

Hamarino ny fomba fanoratra ny anaranao mandritra ny fisoratana anarana satria araka izay voasoratra ao no hiseho eo amin’ny mari-pankasitrahana (certificat) amin’ny farany.
Afaka misoratra anarana amin’ny adiresin’ny toeram-piasana ve ?
Eny, tena azo atao tsara ny mampiasa ny adiresin’ny toeram-piasana na ny adiresy manokana rehefa misoratra anarana. Tandremo tsara fotsiny mba ho adiresy manan-kery sy azo ampiasaina.
Ahoana ny firafitr’ilay fiofanana ?
Ilay fiofanana dia ahitana :
- Toko folo (10) : tondroin’ny laharana 1,2,3,…
- Lohahevitra valo ambin’ny folo (18) : izay tondroin’ny laharana: A,B,C,…
- Lesona efatra amby enim-polo (64) : izay tondrin’ny laharana i,ii,iii,…
Mivoatra miandalana ireo toko : mba ahafahana miditra amin’ny lesona manaraka, dia tsy maintsy vita ny lesona teo aloha ary voavaly ny fanontaniana manelanelana (quizz intermédiaire) mifandraika amin’izany.
Ahoana ny fizotry ny fiofanana ?
- An-jotra no anaovana ny fiofanana, mifototra amin’ny endrika fampianaran-tena. Izany hoe, tsy misy fifaneraserana amin’ny mpampiofana ao anaty sehatra fampitana ny fahaiza-manao. Na izany aza anefa, misy sehatra ifaneraserana mba ahafahan’ny mpiofana mifandray amin’ny ekipa teknika raha misy ilàna izany mahakasika ny fampiasana ilay seha-piofanana an-jotra.
- Afaka manaraka izany araka ny hafainganam-pandeha mety aminao ianao, izay mifanaraka amin’ny fanadaharam-potoanao. Novolavolaina hifanaraka amin’ny zava-misy iainan’ireo matihanina amin’ny fampitam-baovao izay matetika tery ara-potoana mantsy ny fiofanana. Na izany aza anefa dia misy ireo fepetra tsy maintsy hajaina araka izay hazavaina etsy ambany.
- Fepetra : aorian’ny ora 1 tsy niasana dia hikatona ho azy ny seha-piofanana noho ny antony ara-piarovana. Aorian’ny telo volana tsy fampiasana na tsy fanokafana ny seha-piofanana dia ho fafana ny dingana rehetra efa vita ka tsy maintsy mamerina ny fiofanana hatramin’ny voalohany ilay mpiofana.
- Arakaraka ny firosoanao amin’ny fiofanana dia mety hahavoaray hafatra fampahafantarana sy torolàlana ianao.
Azo atao ve ny manaraka ny fiofanana tsikelikely amin’ny fotoana misaratsaraka ?
Eny. Araka ny efa voalaza tetsy ambony, natao ho arahina araka ny fahafahana sy fandaharam-potoanan’ny tsirairay ity fiofanana ity. Afaka mijanona sy manohy araka izay ilainy ny mpiofana rehefa manaja ny fepetra ara-potoana voambara teo aloha.
Misy fitaovam-pianarana mila alaina (télécharger) ve ?
Eny. Misy fizarana sasany ahitana fitaovam-pianarana azo alaina (télécharger-na”) : “fiches pratiques”, fitaovana fampiharana na fanazaran-tena, kisarisary fanehoana, etc.

Misy ireo fitaovana omena ho tari-dalàna fotsiny. Amporisihana ianareo haka azy ireo sy hampifanaraka azy amin’ny filànareo manokana ary hampivoatra azy araka ny traikefa azonareo miandalana.
Ahoana no fomba fiasan’ireo quiz ?
Isaky ny faran’ny lohahevitra tsirairay dia misy fanontaniana manelanelana (quiz intermédiaire) apetraka aminao. Fampiharana izy io. Tsy misy fiantraikany amin’ny isa azonao amin’ny fanadinana farany.
Aorian’ny fiofanana dia misy fanombanana farany izay ahafahana mandrefy sy manamarina ny fahaiza-manao azonao. Mila mahazo salanisa 80% farafahakeliny, na hoe manome valiny marina miisa 40 amin'ireo fanontaniana 49 napetraka, izay vao mahazo ny mari-pankasitrahana na ny “certificat”.
Raha toa ka tsy nahomby ianao dia afaka mamerina ny fanombanana. Tsy voafetra ny isan’ny andrana azo atao ahazoana izany.
Rahoviana sy amin’ny fomba ahoana no ahazoana ny mari-pankasitrahana na ny “certificat” ?
Mivoaka ho azy avy hatrany ny “certificat” rehefa :
- Vita tsara daholo ireo lohahevitra rehetra,
- Nahomby tamin’ny fanadinana farany.
Voamarina avokoa ny mari-pankasitrahana tsirairay ary mbola azo hamarinina amin’ny alalan’ny “QR Code” na ny fanamarinana ny laharam-pamantarana tokana (vérification de l’identifiant unique) amin’ny seha-piofanana an-jotra. Jereo ny torolàlana hamantaranao ny dingana rehetra arahina ahazoana ny mari-pankasitrahana na ny “certificat”.
Inona no atao raha tsy nahazo “certificat” ?
Raha nisy olana ny fahazoana ny mari-pankasitrahana (certificat) dia mifandraisa avy hatrany amin’ny tomponanaikitry ny lafiny teknika amin’ny alalan’ny adiresy : communication@wearecid.mg. Jereo ny torolàlana momba ny dingana arahina raha tojo olana ara-teknika.
Inona no fitaovana ahafahana manaraka ny fiofanana ?
Azo arahina amin’ny fitaovana rehetra mampiasa aterineto ny fiofanana :
- solosaina raikitra (ordinateur de bureau) na “portable” (izay amporisihana kokoa mba ahazoana vokatra tsara indrindra),
- “tablette”,
- “smartphone”.
Mila aterineto vao afaka mijery ny votoatin’ny fiofanana.
Noraisinay am-piheverana ihany koa ny toe-java-misy eto Madagasikara dia ny halafosan’ny “forfaits data” na ny aterineto. Noho izany dia niniana natao soratra ny ampahany betsaka indrindra amin’ny fiofanana, izay tsy mandany “données” kokoa, mba hanamoràna ny fisitrahana izany na dia amin’ny alalan’ny enti-manana voafetra aza.
Azo arahina “hors-ligne” na tsy ampiasana aterineto ve ny fiofanana ?
Hatreto aloha dia mila aterineto ny fidirana amin’ny sehatra fiofanana. Miezaka mijery ny fomba ahafahana manaraka ny fiofanana ivelan’ny aterineto ny ONG CID amin’izao fotoana izao. Manasa anao hanaraka akaiky ny pejy Facebook mba haharaka ny vaovao farany momba izay.
Inona avy ireo fepetra fanampiny ahafahana mampiasa ny sehatra ?
Ny mpiofana rehetra dia mila mameno ny taratasy fanombanana mialoha sy aorian’ny fiofanana. Ireny dingana ireny dia tsy maintsy atao ahafahana manomboka manaraka ireo lesona sy mahazo ny mari-pankasitrahana na ny “certificat” aorian’ny fiofanana.
Inona ny politika ampiharinareo momba ny fiarovana ny angon-kevitra momba ny tena manokana ?
Ny fikirakirana ny angon-kevitra momba ny tena manokana izay azo mandritra ny fampiasana ity sehatra fampiofanana ny tena an-jotra ity dia manaja ny lalàna n° 2014 – 038 momba ny fiarovana ny angon-kevitra momba ny tena manokana (loi sur la protection des données à caractère personnel). Manoloana izany, ny ONG CID dia nametraka rafitra fiarovana sahaza ary manaiky fa tsy ampiasa ireo angon-kevitra ireo hafa tsy eo amin’ny sehatra voatokana sy matihanina ihany.
Grade details
Cours:
Student:
Enrollment date:
Course completion date:
Grade:
Grade Points
Grade Range
Exams:
Sign in to account to see your Grade
Certificate included
Fiofanana momba ny fanamarinam-baovao
1. Ny fomba fitrangan'ny vaovao diso : Foto-kevitra sy fahalalana ankapobeny
2. Ny fanamarinam-baovao sy ny lokanadin’izany ho an’ny asa fanaovan-gazety
3. Ny maha samy hafa ny zava-nisy (fait) sy ny hevitra manokana (opinion)
4. Ny “esprit critique” na fahaiza-mandinika, fiarovana voalohany amin’ny vaovao diso
5. Mamantatra ny vaovao diso : ireo famantarana voalohany mampitandrina
6. Ireo dingana fototra amin'ny fanamarinam-baovao
7. Manombana ny maha tena izy ny sary iray
10. Fandrafetana lahatsoratra fanamarinam-baovao